

Indray andro hono, nisy zazalahy iray atao hoe Wayan. Nipetraka tany Indonezia i Wayan, tamina tanàna kely amoron-dranomasina.
Ny dadan'i Wayan sy ny dadabeny dia samy mpanjono.
Nanan-danja tamin'ireo olona teo an-tanàna ny ranomasina. Toerana manokana iainan'ireo razambe mantsy any.
Ninoan'ireo olona teo an-tanàna fa miverina any an-dranomasina ny olona rehefa maty.
Ny ankabeazan'ny lehilahy tao an-tanàna dia mpanjono avokoa ary efa toy izany foana hatrizay.
Tsy maintsy matanjaka tsara raha te ho mpanjono. Rehefa lehibe i Wayan dia ho mpanjono ihany koa.
Isa-maraina, vao vaky masoandro dia samy mitondra lakana ny lehilahy handeha hanjono. Isan-kariva, rehefa maty masoandro dia miverina an-tanàna izy ireo ary feno trondro ny lakany amin'izany.
Indray andro, narary ka maty ny dadaben'i Wayan. Nandeha ny fotoana ary niha-lehibe i Wayan. Lasa mpanjono izy izao ary ny dadany kosa niha-antitra.
Nisy ny fiovana. Niha-vitsy ny trondro ka voatery nijanona ela kokoa tany an-dranomasina ireo mpanjono.
Indraindray dia niverimaina ireo lakana fa tsy nahazo trondro, na dia niandriaka vao vaky masoandro ka hatramin'ny maty masoandro aza.
Rehefa mba nahazo trondro aza, dia madinika izany sady tsy mba nisy tsirony.
Niova ihany koa ny torapasika. Taloha izy nadio sy tsara ery, fa ankehitriny dia feno plastika izay rehetra jerena: kôpy plastika, tavoahangy, fitroka sy harona – hatramin'ny kapakapa!
Tena feno fako loatra ka lasa sarotra aza ny mahita ilay fasika mainty ao ambaniny.
Rehefa niakatra ny ranomasina na rehefa nanorana, dia lasan'ny rano any fotsiny ny fako rehetra, ary voavaha niaraka tamin'izay ny olana. Toy izany no nieritreretan'izy ireo azy…
Nanomboka narary matetika ny mponina tao an-tanàna saingy tsy nisy nahalala izay antony.
« Fa naninona no tsy nisy trondro intsony? Fa naninona no narary daholo ny olona? »Ahoana no ampitsaharantsika izao zavatra ratsy rehetra mitranga izao? » hoy ireo mponina nanontany tena.
Indray andro, raha nanjono iny i Wayan, dia nianjera avy teny ambonin'ny lakany. Saika maty an-drano izy raha tsy nisy sokatra nanavotra azy. Bintang no anaran'ilay sokatra.
Hoy izy: « Mitaingena ao an-damosiko. Hikarakara anao aho. »
« Misaotra sokatra a! » hoy i Wayan. « Inona no azoko atao hamaliako ny fanavotanao ny aiko? »
« Mety misy azonao hanampiana ahy tokoa angamba. 200 taona ny dadabeko. Izy no sokatra tena feno fahendrena indrindra fantatro. Marary mafy izy ary tsy misy manan-kevitra ny amin'izay tokony hatao. Asa raha mba afaka hanampy azy ianao? » hoy i Bintang.
Nentin'i Bintang tany amin'ny tanànan'ny sokatra i Wayan.
Nanantena hahita zana-tsokatra mahafatifaty marobe i Wayan, saingy tsy izany … plastika avokoa no hitany niparitaka teny rehetra teny.
Nampahafantarin'i Bintang an'ny dadabeny i Wayan. Tena narary mafy ilay dadabe ary sahirana niteny sy niaina izy. Nisy zavatra hafahafa hitan'i Wayan nitranga avy tao amin'ny oron'ny dadaben'i
Bintang.
Hoy izy: « Andraso! Andramako sintonina mivoaka io zavatra io, saingy mety harary an? »
Nosintoniny ka nosintoniny ilay zavatra. Nitomany noho ny fanaintainana ny dadaben'i Bintang. Nivoaka tao ihany ilay izy nony farany.
Fitroka plastika ilay izy! Fitroka plastika?! Anaty orontsokatra? Ahoana koa no nahatongavany tany?
« Oh, misaotra Wayan a! Nanavotra ny aiko ianao. Afaka miaina tsara indray aho. »
« Izaho no Galih, Mpanjakan'ny Sokatra. » Nankany amin'ny hopitalin'ny sokatra izy ireo, izay feno sokatra marary marobe. « Inona no mahazo azy ireo? » hoy i Wayan.
« Tsy fantatray » hoy ny navalin'ny Mpanjaka. « Narary izy ireo rehefa avy nihinana sangilihily. Efa hatrizay no nihinananay sangilihily kanefa tsy mbola nisy narary izany.»
Nasehon'ny Mpanjaka Galih an'i Wayan ny iray tamin'ireo sangilihily avy nesorin'izy ireo tamina sokatra marary.
« Tsy sangilihily ity. Harona plastika ity! » hoy i Wayan nihiaka noho ny hagagana. « Fa maninona ianareo no mihinana plastika ry Mpanjaka Galih? Tsy sakafo ireny! »
Nanazava ny Mpanjaka Galih: « Azonao, Wayan, tsy mahita tsara ny sokatra. Raha ny fahitanay azy dia tena mitovy tanteraka amin'ny sangilihily ny harona plastika.»
Avy eo dia nangataka taminy ny Mpanjaka hoe: « Azonao ampiana ve izahay? Azonao iangaviana ve ny olona tsy hampiasa harona plastika sy fitroka plastika intsony? Azonao ambara azy ireo ve izay hitanao taty? Miangavy re. »
Niondrika teo anatrehan'ny Mpanjaka i Wayan ka nampanantena fa hanao izay rehetra tratrany izy hanampiana ireo sokatra.
Nitaingina tao an-damosin'i Bintang izy ary niverina tany an-tanànany.
Teny an-dalana izy ireo dia nahita harona plastika marobe tao anaty rano, ary dia tena mitovy amin'ny sangilihily tokoa e!
Tonga saina tampoka teo i Wayan fa toa tsy rototra intsony ny mponina mahita ny plastika manodidina azy ireo.
Teo no nahatakarany fa misy zavatra maro tokony hovaina.
Nampiantso fivoariana izy nitantarany tamin'ny mponina tao antanàna ny zavatra rehetra hitany.
Ny harivan'iny ihany dia nametraka lalàna vaovao ny filan-kevitry ny tanàna:
• Voarara ao an-tanàna ny fitroka, harona, tavoahangy ary kôpy plastika;
• Tsy ho dorana intsony ny plastika;
• Tsy halevina intsony ny plastika;
• Ho diovina ny torapasika, ny renirano ary ny tanàna;
• Hangonina ny plastika mba hanamboarana zava-baovao azo ampiasaina;
• Tsy trondro no hojonoina fa izay plastika hita eny an-dranomasina indray;
• Tsy hanjono na hihinana trondro raha tsy efa madio indray ny ranomasina.
Nitaky asa be izany, ary nandritry ny fotoana maromaro dia tsy nihinana trondro ny olona fa voankazo, legioma ary vary ihany.
Ny nihafarany, afaka telo taona nanadiovana, dia tsy nisy plastika intsony nandoto ny tanimbary sy ny ranomasina.
Nahodin'ny mponina ho lasa zavatra azo ampiasaina toy ny latabatra sy seza ny plastika. Tsy nampiasa ireny fitroka sy tavoahangy plastika fampiasa indray mandeha tsy miverina ireny intsony izy ireo.
Ny fitroka plastika dia nosoloiny fitroka bararata. Ny harona plastika dia nosoloiny harona lamba, izay azo ampiasaina imbetsaka.
Ny tavoahangy sy kôpy plastika dia nosoloiny tavoahangy sy kôpy azo averina ampiasaina, toy ireo vita amin'ny tamaboho.
Teo no nianarany fa ny fomba fanaon'ny Ntaolo dia nahasoa kokoa sady tsy dia nandoto raha oharina amin'ireo fomba fanao ankehitriny.
Raha salama ny biby sy ny tany, dia ho salama koa ny olona.
Telo taona taty aoriana, nanjary nisy trondro aman'arivony indray.
Tapitra.

